<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><title>Miakara, miakara FFPM151</title>
<lyrics>[V1]
 Miakara, miakara,
 Ry Mpanjaka lehibe !
 Vitanao ny famonjena
 'Zay nalehanao tatý,
 Mihobia, ry anjely !
 Ka derao ny Tomponao,
 Voninahitra sy haja
 Atolory Azy izao !

[V2]
 Miakara, miakara,
 Ry Mpandresy lehibe !
 Eso, latsa, fahoriana
 No anjaranao tatý ;
 'Zao ny lanitra miandry,
 Miandry hiverenanao ;
 Renao ao ny feo manako,
 Feno fanajana Anao.

[V3]
 Miakara, ry Mpamonjy !
 Ravo ny navotanao ;
 Izahy atý an-tany,
 Faly te-hidera Anao ;
 Raisonao ny fiderana
 'Zay atolotray izao ;
 Haleloia ! Haleloia !
 Ho Anao Mpanavotray !</lyrics>
<hymn_number>151</hymn_number>
<author>H. Smart</author>
</song>